4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fa tena tia - Lola

Tsy andriko ny maraina hahitàna anao
Na ny alina aza toa any amin'ny fananembonana anao
Miraikitra ato an-doha ilay endrikao
Mitsikitsiky malefaka mampi-te hanoroka

Tsy haiko ny hangina
Te hiantso mafy ny anaranao
Be ny velom-panontaniana
Ianao foana no am-bavako ao

Réf: Tiako lôtra ianao
            Tsy mahajery olon-kafa intsony aho
            Lasanao avokoa ny fitiavako oo!
            Foiko ho anao daholo, ny fiainako manontolo
            Tsy rediredy sanatria fa tena tia

Voaomana avokoa izay rehetra atao
Na fihetsika na fiteny handresen-dahatra anao
Indraindray aza toa miteniteny foana
Ny tsisy aza foronina rehefa ianao manoloana

'Ty foko mitempo tsy miato
Dia ianao tokoa no nambabo
Lasanao tsy misy tavela
Ianao foana fa tsy hay nofefena.

Réf:

Partager fa tena tia

Commenter fa tena tia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lola

Suite