4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira 'ndao hihira - Bessa sy lola

Ho anao sahiran-tsaina,
Sendra zava-tsarotra;
Aza de miferin'aina,
Ndrao vao maika mihaimotra.

Manefe saina mijoro,
Mafy matanjaka;
Ka reseo ny horohoro,
Dia meteza mba hitraka.

Ndao hihira(2)
Hira tsotra no hiraina
Ndao hihira (2)
Hiran'ny fitiavana

Na ny fifaliana mazana,
Tselatra f'hifarana;
Fa raha tianao ny hitàna,
Ao am-po ny hazavana
Angalao hanolokolo,
Ny finoana marina;
Fa izay rava eo mbola hisolo,
Andro hafa hifaliana.

Mbola ao koa ny mahory,
Ny kitroan'aizina;
Tsy dia vaovao io akory,
Fa iobonan'ny miaina.
Saingy injay mangirifiry,
Tratrin'ny famoizana;
No mba irario mba hikiry,
Tsy ho kivy, f'hanantena.

Partager 'ndao hihira

Commenter 'ndao hihira

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bessa sy lola

Suite