4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Miangavy - Lola

Lay fotoana kely niarahantsika roa
Hita fa samy naka fy tokoa
Fankan-drivotra fohy nandalovanao
Izaho tsy nahafoy ianao nandao
       Taty ambanivohitra aho f'ianao antanandehibe
       Toa zary nifanohitra ilay fitia no zava-dehibe
       Ianao no namonjy fodiana f'izaho no toa farariana
       Tsy zakako tokoa marary ny an-doha

Miangavy mitalaho aminao aza ariana
Tsarovy fa misy olona iray tsy manadino
Raha izaho manokana
Dia mbola tokana
Ny ato am-poko, ny ato an-tsaiko
Ianao no lalaiko.

Ireny teny mamy nifanaovana
Mahatsiaro irery aho fa nilaozana
Tsy andriko ny andro izay hihaonana indray
Hikajy mafy aho fa efa fay
       Ny elanelan-tany tsy zovina intsony
       F'ilay fitia ihany amintsika no ambony
       Ianao moa efa fantatra fa mbola mianatra
       Tsy maintsy izaho ihany no miakatra.

Partager miangavy

Commenter miangavy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lola

Suite