4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tokatrano imaso - Dadah

Vao tsy ela nifankahalalana

Dia tsapa ianao fa te hitana

Tsy hita ’zay teny injay sahady

Dondona ianao ny hanambady

Amiko anefa hadisoina

Hadalana ny fifamofoina

Fa ny fitia tena mamy

Dia ’zay iainanao androany



K’aleo misaraka tsy’sy marary

Fa raha mivady anie

Dia hifampila voatsiary

O o o!

Aleo misaraka tsisy lonjony

Ny fanambadina anie

Ny fitia no vonoiny



Fa olo-ndroa samy hafa toetra

No manjary hifamepetra

Rehefa ela nifanerasera

Farany hifampitsikera

Ny fahafahana saro-pady

Ka dia izaho ve no fatoranao tady

Fa ny fitia tena mamy

Dia izay iainanao androany



K’aleo.....







DADAH

Partager tokatrano imaso

Commenter tokatrano imaso

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Dadah