4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tia tena tia - Dadah



Izay lazainao ho ditranao

Tsy mampaninona ahy akory

Fa izao, izay foinao ho ahy

Ho ahy no mba atolory

Satria aho tia, tena tia dia tia



Raha izay ditra foana tsy misy tsy nanao

Nefa atao ahoana fa tanora milalao

Ka aza atao hifanomezan-tsiny

Ny fo tsy vato fa be ny faniriany

Izaho aho tia, tena tia, dia tia



Efa tonga ny andro hifaranan’izany

Akoho ela nitsengohana tsy maintsy drodroka ihany

Ka maniry hisotro ronono amin’izay

Dia hanan-tokantrano tena ahy

Ianao no norariako

Satria ianao no tiako, tiako!



Ireny tantara fahiny rehetra ireny

Aoka izay mba tsy ho asiana teny

Fa fitavana, fitia fohy dia fohy

Nanangasanga fa tsy nitohy

Ny antsika no kajiako satria ianao no tiako, tiako!



Fitiavana horaketina ho boky

Tsisy resaka afa-tsy fifanomezan-toky

Ho feno sary, sarim-pahasambarana

Ny pejy farany hisy hoe: "mbola tsy mifarana"

Indray andro any

Fahafatesana ihany no hamarana izany

Partager tia tena tia

Commenter tia tena tia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Dadah