4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Soafara - Dadah

SOAFARA



Ny tranonkelintsika izao toa zary haolo,

Zary mangatsiaka, mangina daholo...

Ny mati-masoandro toa tsy manan-doko,

Mihamainty isan’andro ny lokon’ny foko...

   Soafara ô! mamirifiry

   Ny alina tsy anilanao

   Soafara ô! maso midiridiry

   No iandrasako maraina vao!



Ny biby ato an’ala mihira, mahalala,

Toa misalasala, mihira mivalana,

Izay rehetra jereko toa maizina avokoa,

Mitsetra ny fahareseko ka mitanondri-doha...

   Soafara ô! ny Tompo angamba

   No ho faly handray anao,

   Soafara ô! ny Tompo no ravo

   Handray ny nijaly sy mavomavo.



Iraka tokoa ianao hitondra fitia

Ka voatery nandao fa nahavita adidy;

Iny lanitra iny no fonenanao

F’ao fasam-bahiny no misy ny sisa tavela

Hho fahatsiarovako anao!

   Soafara ô! matokia,

   Fa ny Tompo anie anilanao!

   Soafara ô! matoria

   Fa ny Tompo anie handrotsirotsy anao!



Dadah

Partager soafara

Commenter soafara

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Dadah