4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Zovy - Njila

                                       ZOVY
    Zovy no tsy mahalala fa ny fitia tsy lalao
    Zovy no tsy mahafantatra fa tia ahy ianao
    Nahoana re no nisy fitia tahak'izao
    Sangisangy mihoatra ny loha sangy natao

      Misaotra anao aho fa tena nahita
      Fahafinaretana ary alahelo tsy ritra
      Aza hialanao tsiny f'izaho koa nahatsapa
      Fa fitia dieny voalohany dia efa voakapa

      Loza no mety hitranga raha mbola tohizina
      Izao fiarahan-tsika izao fa ndrao lasa haizina
      Ny fiainana 'zay misy antsika any aoriana
      Avelao aho irery hieritreritra mangina

       Iny namako iny mandehana mankany
       Raha mbola eo ihany ny fahazavana
       Manaova toy ny ianareo irery no eto an-tany
       Fa ny antsika fitia niserana ihany

         Loza no mety hitranga raha mbola tohizina
         'Zao fiarahan-tsika izao fa ndrao lasa haizina
         Ny fiainana 'zay misy antsika any aoriana
         Avelao aho irery hieritreritra mangina

Partager zovy

Commenter zovy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Njila

Suite