4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Atolory ahy - Njila

Atolory ahy ilay fitiavanao
Izay efa nandrasako hatry ny ela be
Maso mangahiahy, fahantrana mankalao
Raha toa aho mantsy ka mbola ho lavinao indray
Atolory ahy ilay fonao
Izay nokasaiko ho fenoim-pitiavana
Fo maratra tsy ho hay sitranina
Raha toa sanatria ka mbola hatositosikao

Atolory ahy ilay fitsikinao
Ho entiko misedra ny adim-piainana
Ka raha sendra ady sarotra aza ao aoriana ao
Ilay fitsikinao toy ny hery ho fampiononana ahy
Atolory ahy ilay fiainanao
Izay nokasaiko mba hianarana
Tsotra nefa feno filaminana
Ka tiako mba hirindra amin'ny fiainako

Fa raha toa ka sitrakao
Ny mba hijanonako eo
Dia izaho sy ianao
No hiara-hanandram-peo
Ka rehefa ho raisinao
Ny tanana atolotro
Ny fiainako ho vao
Satria handray ilay fitiavana

                   

Partager atolory ahy

Commenter atolory ahy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Njila

Suite