4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Andraso aho - Njila

Andraso any aho raha ho any ianao
Rehefa avy eo
Tsy tiako ny mandeha irery
Fa be mantsy ireo mpanadala

Rehefa mandalo bandibandy
Mpanadala isika
Dia mody sakambinò aho
Ka arovy fa anabavinao

                  Ny lalana mandeha any
                  Dia feno andiana bandy
                  Tsy sahiko ny handeha ho any
                  K'andraso aho hanaraka anao

m m m m m

Lavin-toerana loatra moa
'Zay havako izay
Tsy azo antoka loatra
Ny lalana mandeha any

Rehefa hariva indray ny andro
Rehefa avy any aho
Mangingina avokoa
Mampahatahotra ny elakelan-trano

                  'Lay tiako any lavitra any
                  Tsy mety manatitra ahy
                  Matahotry ny voatenin'
                  Ny Ray aman-dReniny

Andrasako eto ianao rehefa avy eo
Rehefa avy any aho
Avy eo dia hiaraka indray
Rehefa samy avy tany isika

                   Ny lalana mandeha any
                   .......

                                                    NJILA

Partager andraso aho

Commenter andraso aho

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Njila

Suite