4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Asaramanitra - Njila

Mahafinaritra be ny andro anio ka mifalia
Tonga ihany ilay andro nandrasantsika ela be
Andro iray toa zato ny andro anio
Nisava ihany ilay raho-mainty nitatao
Nisolo toerana nandimby ny haizim-pito teo
Ka nisolo sahady ilay masoandro vaovao

Mahafinaritra be ny andro anio ka mifalia
Arahabaina tojo izao anio izao
F'asaramanitra tokoa ny andro anio
Asandrato avo ny feo ka mifalia
Andeha hiara-hiventy hirahira iray
Foana tsisy intsony ny olana nandreraka teo
Foana tsisy intsony ny adiady nampisaraka teo

Asandrato avo ny feo ka mifalia
Andeha hiara-hiventy hirahira iray
Hifamotoana androany eto avokoa ny fifaliana
Hisolo toerana eto manomboka izao ny fihobiana
Fa noho ilay nandrasana hatry ny ela be
Asandrato avo ny feo hamakivaky ny tontolo
Ho eran'ny vazan-tany fa tody asaramanitra andraony

Folo taona niadiana isika anio
Mahafinaritra be ny andro anio ka mifalia
Arahabaina tojo izao anio izao.......
La!la!la! (3x)

Partager asaramanitra

Commenter asaramanitra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Njila

Suite