4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Firaisan-kina - Njila

Avelao izahay hifankatia
'Zao fiainan-tsarotra izao
Hifanampiana indray
Avelao izahay hifampitantana
Fa zava-kanto iray
Mifampifamatotra anay

Avelao 'zahay hifampikalo eto indray
Tsy hisy hahasakana
Ny hiranay
Avelao 'zahay hiara-hampiara-peo
Iarahanay
Hatolotray anareo

Avelao ho hitan'ny havany eo
Izay tsy miray hina
Izay tsy mety hampiara-peo
Hanome fifaliana

Hitsikitsikio ireo
Mitazan-davitra any ho any
Hitsikitsikio koa
Ho tonga saina ka ho avy
Ho avy hanatevina
Izao fiarahana izao

Avelao ho hitan'ny havany eo
Izay tsy miray hina

Andeha hanampy fitia
Izao isika vory eto izao
Arahintsika hirahira izany
Avelao hiavaka eo
Izay tsy mankasitrak'izany
Fa
Tsy maintsy hamoy ilay androny

Raha misy ny mahantra
Raha misy ny mijaly
'Zahay izao koa anisany
Kanefa na izany
'Zahay tsy maintsy faly
Sady hampifaly
Anareo 'zay mihaino anay

Avelao........
Hitsikitsikio ireo.......
Avelao........

                                         

Partager firaisan-kina

Commenter firaisan-kina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Njila

Suite