4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Bao - Njila

Tsy hitako intsony izay ilazana ahy
Fa very hevitra toa very fanahy
Nandrora aho, nandrora nitsilany
Ka ny tenako no voa tamin'izany

Sitrapoko ihany no nanambadiako eto Iarivo
Nahita ny akanga tsara soratra aho
Ka nanary ny akoho taman-trano
Ka dia nenina be vava no vokatr'izany

Refrain :
Fa sodokan'ireo tovovavin'Iarivo anie aho
Nanantena ny ho tafarina
Sy hiadana nahazo ny manja
Kanjo nofinofy ihany izany
Fa nataony boto mpamafa kirarony aho
Lasa mpanasa ny lamban'ireo rafilahiko aho

Inay anie aho nihaino anao ry dada ô !
Toa mandatsa ahy ireo anatrao ry Neny !
Milaza fa i Bao ihany no sahaza ahy
Ary izy ihany no mendrika ho vadiko

Toa hitako ianareo re ry Bao
Mibitsika ny hoe miverena ao aorianako ao
Dia tsapako fa manody ilay fitiavanao
Dia fitiavana tena madio sy marina

Refrain

Tsy naharitra aho indray andro ka mba niteny
Nofo aman-drà ka mba mahatsiaro marary
Sao tsy rariny izao fanitsakitsahina izao
Kanjo vava be mankarary fo no nasetriny ahy

Hiverina aho, hiverina aho ry Bao
Ianao ihany no omeko ny fitiavako
Tambanivohitra nefa manam-panahy
Vakivaky tongotra saingy manaja ahy

Fa ny foko tsy mety ny masoko ranga
Iny faravodilanitra iny no tazaniko andro aman'alina
Miandry anao aho mba hitranga
Hanarina izao fahavoazako izao
Hanaza ny haizim'pito mandrakotra ahy.

Partager bao

Commenter bao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Njila

Suite