4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Atolory ahy - Njila

Atolory ahy ilay fitiavanao
Izay efa nadrasako hatry ny ela be
Maso mangahiahy
Fahantrana mankalao
Raha toa mantsy ka mbola holavinao indray

Atolory ahy ilay fitsikinao
Hoentiko misedra ny adim_piainana
Ka na sendra ady sarotra aza aho aoriana ao
Dia ilay fitsikinao no toy ny hery ho fampiononana ahy

Ka raha toa ka sitrakao ny mba hijanonako eo
Dia izaho sy ianao no hiara_hanandram_peo
Ka rehefa horaisinao ny tànana atolotro
Ny fiainako ho vao
Satria handray ilay fitiavanao

Atolory ahy ilay fonao
Izay nokasaiko hofenoim_pitiavana
Fo maratra tsy ho hay sitranina
Raha toa sanatria ka mbola hatositosikao

Atolory ahy ilay fiainanao
Izay nokasaiko mba hianarana
Tsotra sady feno filaminana
Ka tiako mba hirindra amin'ny fiainako

Ka raha toa ka sitrakao ny mba hijanonako eo
Dia izaho sy ianao no hiara_hanandram_peo
Ka rehefa horaisinao ny tànana atolotro
Ny fiainako ho vao
Satria handray ny fitiavanao

Partager atolory ahy

Commenter atolory ahy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Njila

Suite