4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira An-tananao - Njila

Raha mibaliaka soa ny masoandro,
Ny Tompo aminay, miaraka aminay;
Ka ny fiainanay mirindra isan'andro,
Izy re no manda fiarovanay!

Ka na sarotra 'zany lalanay
Ô! tazomy Ray ô! ka tohano;
Isan'andro re na dia marobe
Ireo ankaso sy ny ranomaso.

Eo an-tananao ry Ray ô! tena tiako,
Ny fiainako sy ny diako,
Ô! tazominao arovinao hatrany,
Ô! matoky aho raha mbola eto an-tany.

Ka na sarotra 'zany lalana
Ô! tazony Ray ô! ka tohano,
Isan'andro re na dia marobe
Ireo ankaso sy ny ranomaso.

Tarika Njila

Partager an-tananao

Commenter an-tananao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Njila

Suite