4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Am-pelatananao - Njila

Am-pelatananao ry Ray avo indrindra
No ametrahako ny diako izao
Fa lalan-tsarotra izay tena mampatahotra
No ho diaviko

Ka mila Anao hitari-dalana sy hanoro
Mba tsy ho lavo amin'izao fiainana izao
Arovy ami'reo loza aho mba tsy handao Anao

Ka raha sendra ady sarotra ny fiainako
Mino aho fa te hanafaka ahy tokoa Ianao
Mandry am-piadanana aho tsy manana ahiahy
Ho afaka amiko 'reo tahotra izao mamatotra ahy

REF: Tsy ho tsapako intsony ny fiainana tsy tony
         Ho afaka hijoro aho hiaraka Aminao
         Ka na dia maro aza ireo fahavaloko
         Tsy hanan-tahotra aho satria Ianao no manda fiarovako

Efa tsy azo hametrahana ny fo intsony
Raha izao fiainana eto izao
Fa ady sy korotan-dava tsy misy filaminana no eto

Ka velon-tebiteby sy horohoro mafy
Isan'andro isan'andro isika rehetra izao
Miaina ao anatin'ny tahotra mampivadi-po

Koa dia taomy aho ry Ray ho any Aminao
Ao Aminao ihany no misy fiadanana
Aza avelanao hiala an-tratranao Ray o!
Ampifalio aho mba tsy ho tafasaraka Aminao

REF: Tsy ho tsapako intsony...

Partager am-pelatananao

Commenter am-pelatananao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Njila

Suite