4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tantaran' ialahy - Njila

Maneri-dava foana ny aty aminay
Hatramin'izay nandehanan'ialahy izay
Ialahy ilay bandy kely ratsy vintana
Tsy mety ho tafita fa mafy ady lava izao
                        Tofoka ialahy nanapa-kevitra ny handeha
                        Nahoron'ialahy avokoa ny entan-kelin'ialahy
                        Nahasorena an'ialahy ny mpiara-monina
                        Nanesoeso vao maika toa nandroaka an'ialahy
                        La!la!la!......
                        Izany no mba tantaran'ialahy
Nitady teto anikeheo 'lay malalan'ialahy
Nipenipenina nandona varavarana
Dia nolazaiko azy ny antony nandehanan'ialahy
Tsy nahaloa-peo fa niondrika izy tamin'izay
                        Niezaka ihany izy ny hanafina
                        Ireo masony no nanganohano be
                        Ny herika nifafy tamin'ny endriny
                        No nifangaro tamin'ny ranomasony
                        La!la!la!......
                        Izany no mba tantaran'ialahy
Raha tonga ny andro iray izay hiverenan'ialahy
Ho andro lehibe tokoa izay andro izay
Ialahy ilay bandy niomehezana hatrizay
Nanarina ihany ka tonga nalaza be
La!la!la!...... (3x)
Ho tsara ny andro rehefa hiverina ialahy

                                                          NJILA

Partager tantaran' ialahy

Commenter tantaran' ialahy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Njila

Suite