4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tanora hono ka hoe - Green

Vao maraina miposaka ny andro

Iny izy lasa tsy manao veloma

Manantena fiainam-baovao

Fa revy ihany no iainana hatrizay

Zazavavy tsisy ho antenaina

Mifanjohy misarakorako eny

Endrik’anjely fanahy tsy hay intsony

Toky fitaka lainga

Fa ny ho aviny tsy miditra ao an-tsainy.



Ny tenany tsisy hajany intsony

Niniany tsy ho henoina ’reo anatra nomena

Tanora hono ka hoe!



Ny ao an-trano tsy mahateny azy intsony

Ny manodidina tsy ho henoiny

Henatra ho an’ireo fianakaviana

Tsy tsapany izao fahoriana izao.


Partager tanora hono ka hoe

Commenter tanora hono ka hoe

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Green