4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Vetivety - Green

      Toa vetivety fotsiny ihany

      ’Zay niarahantsika izay

      Vita avy hatrany tanaty andro iray

      Vita hatreo ilay fitia

      Nantenaina ho doria

      Semaban-drahona manimba hasambarana



Fitia mbola kely haitraitra ihany

Tsy latsam-paka tao am-ponao tao

Fa ny lalanao ho lavalava ihany

Any aoriana tsy ho izaho intsony



      Fa nahita iray vaovao

      Ka nano veloma hatreo

      Namery toky ianao

      Anefa tsy hiseho

      Tsy manatrika ahy akory

      Izaho ihany no nitady

      Sy ’lay foko ory

      Navela mba hiady



Fitia mbola kely haitraitra ihany

Tsy latsam-paka tao am-ponao tao

Fa ny lalanao ho lavalava ihany

Any aoriana tsy ho izaho intsony



      Kanefa moa, atao ahoana indray no hitazona

      Nefa tsy sitrako

      Tsy afaka aho

      Ny hanery anao aho izao fa tonio ny fo

      Any aoriana any angamba




Partager vetivety

Commenter vetivety

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Green