4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fo roa - Green

Na dia teo aza ireo adiadintsika

Nampifamaly, nampifanditra

Tsy ho antsika izany fa avela hivalona ho any

Fa hiaraka isika, hiaraka hiampita

Fiainana maro mbola tsy hita

Ka izaho tokinao, ianao andriko mandrakizay



Tonga ity ny andro iray

Ho porofointsika amin’izay

Izaho sy ianao hiaraka mandrakizay



Ka manombok’izao, dingana iray no hatao

Hery iray vaovao ho ahy sy ianao

Averintsika eto idray ireo dina fanao hatrizay

Mariky ny "FO ROA" mitempo iray.



Na dia be aza ireo zavatra vita

Mbola ho lava raha ny lalantsika

Nefa izany tsy atao hampiemotra antsika sy ianao

Fa izaho ho anao, ianao hoa ahy koa

Anaty fitia, fitia miavosa

Tena ho doria, fa tsy kilalao sanatria



Tonga ity ny andro iray

Ho porofointsika amin’izay

Izaho sy ianao hiaraka mandrakizay, rahatrizay



Ka manombok’izao, dingana iray no hatao

Hery iray vaovao ho ahy sy ianao

Averintsika eto idray ireo dina fanao hatrizay

Mariky ny "FO ROA" mitempo iray.



Na ho potraka aza ianao, izaho hampiarina anao

Na ho solafaka aza isika, inoako fa tsy maintsy ho tafita

Amin’ny tanjona nirina

Fo ROA mitempo iray satria

Vonona hiaraka ho do



Ka manombok’izao, dingana iray no hatao

Hery iray vaovao ho ahy sy ianao

Averintsika eto idray ireo dina fanao hatrizay

Mariky ny "FO ROA" mitempo iray.

Partager fo roa

Commenter fo roa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Green