4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fanenenana - Green

     Liana ny ahita fiainam-baovao

     Ity tovolahy ka nandao ray sy reny

     Maraina be mbola tsy maneno akoho

     Nilaozany ny rehetra mbola mandry tsy nifoha



         Asa lahy izay hitany any ho any

         Leo hono izy ka lasana nankany



         Adaladalana izany no hitany

         Fisetrasetrana izany no fiainany



     Potika avokoa ny fiainany tontolo

     Ny manodidina manosika azy daholo

     Maraina be mbola tsy maneno akoho

     Nilaozany ny rehetra mbola mandry tsy nifoha



         Asa lahy izay hitany any ho any

         Leo hono izy ka lasana nankany



         Adaladalana izany no hitany

         Fisetrasetrana izany no fiainany

Partager fanenenana

Commenter fanenenana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Green