4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fiainam-baovao - Green

FIAINAM-BAOVAO

Nihevitra foana aho fa toy ny omaly ihany

Ny fiainanao hatrizay

Niezaka ihany aho ny hoe hamalifaly anao

Tsapako izao fa toa very maina ihany

Ireo ezaka natao hatrizay

Niova ianao, nanjary lasa nampiahiahy



Fantatrao fa ianao ihany anie

‘Lay niriako hatrizay

Nihevitra aho fa raha ny handao ianao tsy ho sahy

Tsy hamela ahy hangahiahy



Rahoviana vao mba ho tsapanao ihany

Rahoviana vao mba ho raisinao

‘Lay fitiavako anao mitombo hatrany²

Miboiboika tsy mety ho lany

‘Reo fotoana kely mba niarahantsika

Inoako fa tantara tsy ho vita

Koa miangavy anao aho raha azo atao

Ndao hanorina fiainam-baovao



Nihevitra foana aho fa toy ny omaly ihany

Ny fitiavanao hatrizay

Niezaka ihany aho ny hoe ahasambatra anao

Tsapako izao fa toa latsaka an-tany

Ireo toky nomenao hatrizay

Niova ianao, izaho no lasa very fanahy



Fantatrao fa ianao io anie

Ilay niriako hatry ny ela

Sanatria ho ringana tsisy tavela

‘Lay mba tao am-ponao



Rahoviana …………….



Izaho anie tsy hoe manery anao

Na manoro anao ‘zay tokony hatao

Fa miangavy mafy sy mitalaho

Miantso anao



Rahoviana ……………



                   GREEN

Partager fiainam-baovao

Commenter fiainam-baovao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Green