4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Miverena - Green

Efa herintaona lasa izay

no nandaozanao ahy

Tsy misy valiny hatrami’izao

ireo fiangaviana natao hoe:

Miverena amin’izay

fa lasa fijaliana ho ahy

ny miandy anao isan’andro lava izao

Tsy mety ny atao

  FIVERENANA:

     Fa na izaho na ianaon, eny hatramin’izao

     inoako fa samy mbola tia

     Na izao na oviana ny foko tsy hangina

     fa hitady anao, miantso anao

     Fa iantrao

     Akaikin’ny foko ianao

     andriko hatramin’izao

     fa mamiko loatra

     raha ny fitiavanao

     Na lavitra aza ianao

     ny saiko mankany aminao

     fa aleoko tsy misy

     raha toa ka tsy misy anao

     ka miverena

Ekeko aloha fa sarotra ihany

ny handao ireo havanao any

Fa ny alahelo mikotrika ato anaty

mila tsy ho tanty

Rahoviana ihany ianao

vao hamaly izao antsoko izao

Midradradradra fa lavitra olon-tiana

tsy mety hangina

  fiverenana

     Na izao na ianao....

Partager miverena

Commenter miverena

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Green