4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fiderana - Green

Tonga tety isika tsy iza fa noho ilay nahary

Tonga tety isika nomeny fiainana lavorary

Ka na izaho na ianao

ndao hiaraka manomboka izao

hidera sy hankalaza ny anarany

mandra-pahatonga ny farany

       ref:Tretrika aho tena tretrika aho

           Fa novonjenao tamin’ny Zanakao

           Faly aho tena faly aho

           Midera ny Anaranao

           Noho Ianao noho Ianao ihany

           No nahatonga anay tety an-tany

           Fiderana hatrany hatrany

           No asetrinay an’izany

           Ka midera Anao

Indraindray anefa isika minia toa hanadino

Ny sasany aza milaza fa raha tsy mahita tsy mino

kanefa izao no lazaiko anao

matoa isika miriaria toy izao

Tsy ny inona fa nohon’ny fitiavany

Nafoiny hatramin’ny Zanany

              

           Tretrika aho tena tretrika aho

           Fa novonjenao tamin’ny Zanakao

           Faly aho tena faly aho

           Midera ny anaranao

           Noho Ianao noho Ianao ihany

           No nahatonga anay tety an-tany

           Fiderana hatrany hatrany

           No asetrinay an’izany

           Ka midera Anao,

           misaotra Anao  

           Fa lehibe ny voninahitrao

           misaotra Anao

           Midera Anao

           Fa novonjenao izahay zanakao

  

Partager fiderana

Commenter fiderana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Green