4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hafatra - Green

Teny iray tokana monja

Dia tsy voambarako aminao

Tey iray tena mafonja

Ho ahy sy ho anao



Tsy sahiko ny miteny

Ianao no mamiko indrindra

Tsy safidiko velively fa

Ny am-poko tsy hay afindra



Vahotra ny lelako

Hilaza sy hanambara fa hoe:



Famerenana

   Babonao, babonao ny ny foko manontolo

   Matoa aho mitia

   Resinao, resinao ny saiko sy ny fitiavako

   Babonao sy resinao aho satria.....



Io ilay hafatra mazàna fiteny

Fandre ombieny ombieny

Hafatra mahatona saina

Mamelona aina



Poti-taratasy kely indrisy

Navelonao ho ahy

Poti-teny kely sy hevitra tsisy

Foinao ho ahy



Babonao ny foko tia

Indrisy fa tsy ho doria.



Famerenana

   Babonao, babonao ny ny foko manontolo

   Matoa aho mitia

   Resinao, resinao ny saiko sy ny fitiavako

   Babonao sy resinao aho satria.....


Partager hafatra

Commenter hafatra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Green