4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Veloma farany - Green

Androany sisa

Ilay andro iray

Ifanaovantsika

veloma mandrakizay

fa hifandao

  Vita hatreo ny fiarahana

  andin-tsaina foana no hibahana

  ao anaty ao

  fa very namana

     Fony isika nifankatia

     nifaly sy niriaria

     saingy indrisy izao

     fa lasana ianao

Fiverenana :

Atao ahoana moa

fa tafasaraka tokoa

Ianao ho any ankoatra

Izaho tavela eto an-tany

kanefa fantatrao

fa ianao irery hatramin’izao

no mba nitarainako

masoandrom-piainako

          Mangina izao

          ny ao am-poko ao

          fa manirery

          tomany lava izao

          nilaozanao

          Mahatsiaro foana

          ireo fotoana

          ireo sangisangy

          niharo tambitamby

          natao tsy ho lany

     fony isika nifankatia

     nilokaloka ny ho doria

     saingy indrisy izao

     fa lasana ianao

Fiverenana :

Atao ahoana moa

fa tafasaraka tokoa

Ianao ho any ankoatra

Izaho tavela eto an-tany

kanefa fantatrao

fa ianao irery hatramin’izao

no mba nitarainako

masoandrom-piainako

               mino aho

               fa mbola hifankahita

               indray andro any

               hanohizantsika

               izay tsy vita tety an-tany



Fiverenana :

Atao ahoana moa .........

Partager veloma farany

Commenter veloma farany

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Green