4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hiverina - Green

              Mavesatra ho ahy ny mieritreritra anao

              Manomboka ho lavo ny saina

              Miavosa ao anaty mitamberina hatrany

              Ny embona anao tsy hay fafana.



       Izaho te hiverin-dalana hanamafy indray

       ’Lay fatorana nisy teo iny

       Ampy ahy koa izay ny adiady

       Sy ireo ditraditra hatrizay.



              Manina foana, mahatsiaro anao

              Irery tsy natokan-dalana

              Mahatsiaro ireo ditra nataoko hany aho

              Tamin’ireny mbola zaza.



       Raha mba azonao atao anie

       Raha mbola nisy hafanana ao aminao

       Meteza ianao ho ahy foana hatrany

       Fa tsy azoko atao anie ny tsy anilanao

       Ny ambo-po no mety ho diso toerana

       Aleo handefitra amin’izay tsy natao ho antsika

       ’Zay hahasoa no aoka iaraha-miaina androany

       Raiso aho fa hiverin-dalana indray.

Partager hiverina

Commenter hiverina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Green