4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tolona - Red Metal

t@ 72 ie ! ie ! ie !

nifampitady t@ FRS

tifitra nisesisesy

novatsian’ny sôvy Kalachnickov

ireo mpianatra nitoratoraka t@ cocktail Molotov

tratran’ny lavage de cerveau

hatreny @ université

nidina an-dalam-be

ireo communiste no tena fotaka

nahatonga ny ady sy ny rotaka

firenena nihotakotaka



ref: inona ny vokatry ny tolona? Inona an!?

       Matimaty foana teny ny olona. Inona an!?

       Inona ny vokatry ny ady? Inona an!?

       Malagasy indray no mpifampitady e! inona an!,



t@ 75 indray

nisy basy tena tsara vanja

teny an-tampon’ny fiakarana

maty teo ilay malalanay

izy no RATSIMANDRAVA

nantenaina ho hampiray

baiko avy tany am-pita tany

dia handrombaka ny fitondrana

sy miaro fankahalana

mercenaire Lezimbo

voakaraman' ireo communistes

revolisionera sosialista a!



ref: inona ny vokatry ny tolona? Inona an!?

       Matimaty foana teny ny olona. Inona an!?

……………………………………………..



t@ 10 aogositra indray

saika hanafika ilay lapa be

notarihan’I Voay be

diabe ho an’ny fahafahana

diabe nitanjozotra

manao dia mianotra

mbola tsy tonga teny Mavoloha akory

dia tifitra variraraka

pilotra niraradraraka

REZEP efa tena lian-drà

Sy dahalo 300 lahy

Efa maimbomaimbo rà



ref: inona ny vokatry ny tolona? Inona an!?

       Matimaty foana teny ny olona. Inona an!?

……………………………………………



Tonga ny taona roa arivo sy roa

Mbola betsaka ny maivan-doha

Mbola betsaka ny kely loha

Nataon’ny sasany tohatra fiakarana

Dia nariana teo ny fianarana

Nanakatona ny varavarana

Mbola tsy taitra t@ torimaso foana

Manonofinofy antoandro

Manofinofy masoandro

Nefa efa any @ afobe

Niredareda mahamay

Nefa tsy mety fay



ref: inona ny vokatry ny tolona? Inona an!?

       Matimaty foana teny ny olona. Inona an!?










Partager tolona

Commenter tolona

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Red Metal

Suite