4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Soldat - Red Metal

Ry miaramila milanja basy, miara-mandroso!

Tsy fantatra akory hoe ndeha ho aiza dia misosososo

Tsara folaka sy tsara baikon’ny olona ambony

Robot sa commando voky rongony

Ireo vatan-tay ho amporisihana mankany aloha

Ireo be galona mivohavoha, ouhouhouh!!

Ireo vady aman-janaka mitaintaina any an-tanàna

Rotaka indray, hono, ao @ ville mafampana



Ref: CASQUE FOTSINY IO E!

       FA NY AO ANATINY PÔKATY

       MANAO SATROKA POT

      DIA MITOMANY RAMBO!!!



Mbola tadidiko teo Amboditsiry ireo kung fu

Tank, basy sy hélokptera mahavaky fo

Natao volo-moka ireo tanora @ ity firenena

Izany no asanareo militera mampahonena!

Rehefa ilaina ny herinareo dia mody milentika

Nefa raha hiaro mpanao politika dia be tetitetika!!

Atao ny à gauche, atao ny à droite, tsy mahalala maty

Hita mihintsy ny lohanareo fa PÖKATY!!!



Ref: CASQUE FOTSINY IO E!

       FA NY AO ANATINY PÔKATY

………………………………..



Ankatony amin’izay ny dobo rehetra fa  tsy hilaina

Ny volam-bahoaka homena anareo toa very maina

Ndehana mamboly sy miasa tany, marina izany!

Toy izay hanome lagy ny olona  rehefa mitolona!!

Mpanao politika raha tsy mahavoa aleo very seza

Tsy mankaleo anareo mihintsy ve ny miaro ny ngeza?

Tsy aleo mihaino manivo ny olona dia tsy misy ‘blem

Toy izay ao anatin’ny casque fotsiny hnao be marenina!!!



Ref: CASQUE FOTSINY IO E!

       FA NY AO ANATINY PÔKATY

………………………………..

Ry miaramila milanja basy, miara-mandroso!

Tsy fantatra akory hoe ndeha ho aiza dia misosososo

Tsara folaka sy tsara baikon’ny olona ambony

Robot sa commando voky rongony


Partager soldat

Commenter soldat

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Red Metal

Suite