4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Raha tsy hihira intsony - Njila

Raha tsy hihira intsony aho
Hikombona ny vavako
Ho zary nofy
Ireo hira taloha
Dia handeha ianao
Hitady lasy vaovao
Hialoka amin'ny manan-katao
                         Lefy angaha ny hirako
                         Maloka ny tavako
                         Very teo ny aingako
                         Maina ny molotro
                         Dia handeha ianao
                         Hanetsik'ainga vaovao
                         Hanaraka ny manan-katao
Mangahiahy ny aty raha hilaozanao
Ireo tsy tia, handihy, handihy
Topi-maso teo iny (omaly izany hoy ianao)
Lany ny maminy
Tositosy teo iny (omaly izany hoy ianao)
Aiza ny sandrinao
                         Fa raha tsy eo ianao
                         Ny hanitrao koboniko
                         Izaho anie tsy miova fa eo

                                                         NJILA

Partager raha tsy hihira intsony

Commenter raha tsy hihira intsony

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Njila

Suite