4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Raha mibaliaka soa - Njila

Raha mibaliaka soa ny masoandro
Ny Tompo aminay, miaraka aminay
Ka ny fiainana mirindra isan'andro
Izy re no manda fiarovanay

Ka na sarotra aza ny lalana
O tazony ray o! ka tohano
Isan'andro re na dia marobe
Ireo ankaso sy ny ranomaso

Eo an-tananao ry Ray o! tena tiako
Ny fianako sy ny diako
O tazoninao arovinao hatrany
Ho matoky aho raha mbola eto an-tany

Ka na sarotra aza ny lalana
O tazony Ray o! ka tohano
Isan'andro re na dia marobe
Ireo ankaso sy ny ranomaso

Partager raha mibaliaka soa

Commenter raha mibaliaka soa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Njila

Suite