4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ilay rivotra ... - Njila

Ilay rivotra mitsoka izay
Avy any an-tsinanana any
Mitondra bitsika ho ahy
Nalefanao any mba ho any

Namirifiry io rivotra io
Ka tsapako avy hatrany
Fa mangatsiaka ilay fitia
Nitsiry tanatinao

Any ambadika any ianao
Manadino ny momba ahy
Izaho anefa mba manantena anao
Hanarina ny fiainako

Ny rivotra aty aminay
Dia mitondra vovoka foana
Manditsoka ny masoko
Tsy hahitako ny lalako intsony

Io vovoka nentin-drivotra io
No hinoako fa mba nandratra anao
Tsy ahoako anefa izany
Tsy mampiova ny fiainako

Tsy ny rivotra anefa no entiko
Hahafantarako ny endrikao
Fa aleo mifanatri-tava aloha
Toy izay handendrikendrika foana

Tsy naharitra aho fa nandeha
Nanatona anao
Gaga anefa aho satria
Mbola mpifankatia izaho sy ianao

Tsy mba hihaino io rivotra io intsony aho
Sy ny mety ho lazany any
Fa mandiso ny lalako izany
Tsy hanantona anao fa hankahala anao ...

Partager ilay rivotra ...

Commenter ilay rivotra ...

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Njila

Suite