4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Voan-dalana - Njila

Voan-dalana ho entinay
Hatolotra anareo aty
Dia hira, kalokalo
Entanin'ny fitiavanay
Vazo hamalifaly
Hanampy anao
Hanadinoina ny adim-piainana mankalao
Tsy rediredy ity
Na laingalainga honohono
Na resa-be na koa
Kabary ambony vavahady

Tsy voafetran'olona iza
Ny kalokalo hatolotray
Na am-pitiavana
Ho enti-mampisara-bazana
Fa vazo hampiray
Antsika mianakavy
Hanatsarana ny fiainantsika ho avy
Koa mitsangana ianao
Asio ainga vaovao
Dia anareo indray
Ireo izay nisintaka taloha
Ampodio koa ireo naniasia
Tambatambazo hiverina hizarao fitia

Vazo takariva fikalo mena masoandro
No azo hanadinona ny sorisorin-tsaina
Vazo hampiray
Hanafoana ny olana napetrany hatrizay

                                              

Partager voan-dalana

Commenter voan-dalana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Njila

Suite