4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsisy tsiny - Njila

Zovy no tsy mahalala fa ny fitia tsy lalao?
Zovy no tsy mahafantatra fa tsy ahy ianao?
Nahoana re no misy fitia tahaka izao?
Sangisangy mihoatra ny loha saingy natao
                     Raha mbola misy ny fahazavana
                     Na dia mbola eo ihany ny hatanorana
                     Fitia toy izao dia fitia nangalarina
                     Ka tsy maintsy hasiana fitsaharana

REF      Misaotra anao aho fa tena nahita
                Fahafinaretana ary alahelo tsy vita
                Aza hialanao tsiny, f'izaho koa nahatsapa
                Fa fitia dieny voalohany efa voakapa
                              Loza no mety hitranga raha mbola tohizina
                              'Zao fiarahantsika izao fa sao lasa maizina
                              Ny fiainana 'zay miandry antsika any aoriana
                              Avelao aho ho irery hieritreritra mangina

Zovy no tsy mahalala fa ny fitia tsy lalao?
Zovy no tsy mahalala fa tsy ahy ianao?
Nahoana re no misy fitia tahaka izao?
Sangisangy mihoatra ny loha saingy natao
                     Iny, ry namako iny, mandehana mankany
                     Fa ny mendrika ho anao dia ny miaraka aminy
                     Manaova toy ny anareo irery no eto an-tany
                     F'izaho kosa ho aloka miserana ihany

REF

                                       

Partager tsisy tsiny

Commenter tsisy tsiny

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Njila

Suite