4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tiana - Njila

Voninkazo tsy voaloko
Ny fitiavantsika roa hatrizay
Ka mora nalazo
Rivotra nitsoka iray
No nandrava izay kely hefa
Naneso ireo tositosy
Fa miandry foana ny aty
Raha tsy tantinao modia
Na dia sombintsombim-pitia
Ento mody ho ahy
Voron-kely toa kilalao
No noheverantsika roa
'Lay fitiavana
'Zay mba nitsiry
Kanefa tsy ampy toy izay
Hary elatra kely ka nanidina
Lasa tsy tana
Hetraketraky ny anjara
Sao kosa fitia voarara
Tsy fantatro tonga dia rava
Fa miandry foana ny aty

Raha tsy tantinao modia
Na dia sombintsombim-pitia
Tsy manahy
Ento aty f'ho koloiko doria

                                                         NJILA

Partager tiana

Commenter tiana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Njila

Suite