4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Remby - Njila

Aoka hivalona eo
Ny mombamomba ireo
Ady lava fahiny
Aoka hangina hatreo
Ireo fomba teo aloha
Ndrao hanimba indray

Ilay hazavana efa tsinjo hatrizay
Dia ho rava sy ho potika indray
Toky mba nananany taloha

Aoka hivalona eo
Ny mombamomba ireo
Hadalana fahiny
Aoka hifarana eo
Ireo vazivazy taloha
Ndrao handrakotra

Ilay hazavana efa tsinjo hatrizay
Dia ho rava sy ho fongana indray
Ilay ho avy nantenaina hatrizay

Refrain :
Satry tsy handao
'Reo remby nahavariana ahy
Nahafaly anay
Toa aleo mandeha
Hiatrika ilay ho avy rahatrizay

'Ndeha mba hianatra aho
Fiainana vaovao hiaraka aminao
Izay angamba no tsapako
Fa mety hahasoa antsika
Sao variana midola aminao
Dia ho rava sy ho potika indray
Ilay ho avy nantenaina hatrizay

Refrain (x2)

Partager remby

Commenter remby

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Njila

Suite