4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ravorom-by - Njila

Ivimbino herin-tsaina any aho
Raha sendra ka hisidina any ianao
Ravorom-by manidina iny, iny, iny
Itondray vatsy vaovao avy any aho
Fa lany ny aty

Leo ny fahantrana aho
Leo ny anjara masoandro tsy ho azo
Leo ny manantena tsy misy, tsy misy, tsy misy
Leo ny fiainana mikorosy andro aman'alina aho

Aza lalovanao ny aty
Vangivangio matetika
Lany vatsy ny aty ka vonjeo
Ritra ny herin-tsaina ho enti-miady
Faingana ianao f'aza variana any ho any

Ny hiranay mirahalahy
Tsy hangina intsony fa hisy handre
Ho ren'ny vazan-tany maro, marobe
Miaina ao anatin'ny haizim-pito
Miandrandra hazavana

Ento manaraka anao any aho
Ravorom-by manidina iry
Lany vatsy......

                                                         NJILA

Partager ravorom-by

Commenter ravorom-by

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Njila

Suite