4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny hirako - Njila

Hira iray no atolotro
Mba hanitsiana ireo diso lalana
Dia hira vokatry ny fo
Fa tsy mba vokatry ny saina
Avelao ho any ambadika any izay tsy tia
Hiraiko ihany ny hirako

                REF    :            Avelao ny revy handeha
                                           Hanoreno
                                           Avelao ny revy handeha
                                           Hamantana, hambabo ny fonao

Ny hirako no atolotro
Mba hatsiarovanao ilay anarako
F'izaho 'lay bandy kely iray
Niady lava taminao
Tsy haiko aloha izay any an-tsainao any
Hiraiko ihany ny hirako

                REF

Ny hirako no mba namako
Raha sendra mafy loatra ny alahelo anao
F'ianao ilay lavitra any
Tsy eto anatrehako
Tsy haiko aloha na diso ianao any
Hiraiko ihany ny hirako

                REF

Partager ny hirako

Commenter ny hirako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Njila

Suite