4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Niserana - Njila

Toa manahirana ahy ny hanao veloma anao
Toa mahasadaikatra ahy tsy hita izay atao
Ny andro anefa toa mandroso ho alina
Ny làlana ho aleha aloha dia mbola tsy hifarana hatreo

Toa mampatahotra ahy ny handao anao sahady
Toa satriko hilefa tsy hanatrika anao
Ny masonao jereo mipitrapitra ery
Tsy tantiko ny hahita anao ho sasatra foana hibanjina ahy
Aleoko dia mandositra avy hatrany

Mba lazao ahy 'zay mba eritreritrao
Tantarao ahy sao mba misy azo atao      (2x)
Dia ho tony ianao

Nanohina anao ny fandalovanay
Toa tsy nampoizinao hiserana hoatr'izao
Toa tonga saina ianao (2x)
Ny fahatsiarovana no sisa nentinao nisaina ny omaly
Tsy tantinao indray ny ho ampitso

Mba lazao ahy 'zay mba tena hirianao
Tantarao ahy sao mba misy azo atao   (2x)
Dia ho tony ianao

Nanantena aho fa tsy handainga akory ianao
Hitantara ahy 'zay mba eritreritrao
Mba lazao ahy 'zay mba tena hirianao
Tantarao ahy sao mba misy azo atao

'Zay mba eritreritrao
Sao mba misy azo atao
'Zay mba eritreritrao

                                                            NJILA

Partager niserana

Commenter niserana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Njila

Suite