4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Miverimberina - Njila

Miverimberina matetika ato an-tsaiko
Nanjary efa mahazatra ahy
Ireo fombafombanao fahiny

Mahatsiaro angamba ianao any ho any
Fa tsy hay fafana ireny rehetra ireny
Fony mbola samy zaza teny isika

Tsy ho ela akory fa toy ny omaly
No niarahako taminao
Embonembona no sisa tavela

Anio aho hisaintsaina
Sy hijanona ato an-trano
Hanokana fotoana ho ahy
Hieritreretana ny momba anao

Fiaraha-miafinay tsy ho adino
Tsy sahinay haseho olona
Fa natokanay ho anay samirery

Toa misarisary adala foana isika
Tsy mety matotra amin'izay atao
Mivezivezy lava ny fisainanao

                                                             NJILA

Partager miverimberina

Commenter miverimberina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Njila

Suite