4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Miova indray - Njila

Manina azy ianao
Dia mitamberina
Lasa efa hadino taloha
Nofohazinao avokoa
Toa manahirana anao
‘Zao fandalovany eto izao
Fery efa sitrana ela izay
Notriharinao haratra indray

Miova indray, Miodina indray
Ny fiainany miodina eny ihany
Ny anao no ataovy tsaratsara hatrany
Avelao any, avalony any
‘Zay mety ho fankahalanao azy
Fa tsy hisy handany andro hiaino anao

Hitany eny foana
Dia tsinjony eny foana
Fantany fa nanova olon-kafa vao ianao
Tsy azoko izay mety, izay mety ho any am-pony any
Mety ho faly angamba ianao izao
Raha nankarary azy ny fihetsikao

Miova indray…


Fa fitia, fitia tsy mba nivaly
Avelao ao ny lanitra no hamaly azy
Fantatra, ny fonao tia, ny fonao mbola tia
Tsy hay tohaina, adàla tsy mety mangina.


Miova indray…

………
Ny fiainany miodina eny ihany
Ny anao no ataovy tsaratsara hatrany
……..
‘Zay mety ho fankahalanao azy
Fa tsy hisy handany andro hiaino anao.

Miova indray.

Partager miova indray

Commenter miova indray

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Njila

Suite