4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Miandry anao - Njila

Tsy ho sasatra miandry anao aho
Manantena anao aho indray
Na tsy hamiratra aza io, masoandro io
Miandry anao aho
Miandry anao aho.

Efa mitsilopy ilay fanilo
Hitsenako anao
Alim-be
Na matevim-be aza io rahona io
Miandry anao aho
Miandry anao aho

Raho tonga androany any aho
Dia ho foana
Ka hisava ilay haizina teo
(ilay haizina!)
hoavaozintsika indray
Ilay fiainantsika teo iny
Nahamenatra olona

Ampy izay ireo adiady fahiny
Ampangino ny fo tsy hisendaotra
Fa androany aho
dia hihaona aminao
Hibanjina fiainam-baovao

Zaza tsy natokan-dalana aho
Efa zatra ny hotarihinao
Tsy andriko intsony
Ny ahita anao
Ampy izay adiady izay

Raha tonga androany any aho
Dia ho foana
ka hisava ilay haizina teo
(ilay haizina!)
hoavaozintsika indray
Ilay fiainantsika teo iny
Diso be mpahafantatra

Partager miandry anao

Commenter miandry anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Njila

Suite