4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ilay rivotra - Njila

Ilay rivotra mitsoka izay,

Avy any antsinanana any,

Mitondra bitsika ho ahy,

Nalefanao any mba ho any;

     Namirifiry io rivotra io

     Ka tsapako avy hatrany,

     Fa mangatsiaka ilay fitia

     Nitsiry tanatinao.

Any ambadika any ianao

Manadino ny momba ahy

Izaho anefa mba manantena anao

Hanarina ny fiainako.



     Ny rivotra aty aminay

     Dia mitondra vovoka foana

     Manditsoka ny masoko

     Tsy ahitako ny lalako intsony

Io vovoka nentindrivotra io

No inoako fa mba nandratra anao

Tsy ahoako anefa izany

Tsy mampiova ny fiainako

     Tsy ny rivotra anefa no entiko

     Hahafantarako ny endrikao,

     Fa aleo mifanatri-tava aloha

     Toa izay hanendrikendrika foana



Tsy naharitra aho fa nandeha

Nanatona anao

Gaga anefa aho satria

Mbola mpifankatia izaho sy ianao.

     Tsy mba hihaino io rivotra io intsony aho

     Sy ny mety ho lazany any.

     Fa mandiso ny lalako izany

     Tsy hanatona anao fa hankahala anao.

Partager ilay rivotra

Commenter ilay rivotra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Njila

Suite