4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ho avy - Njila

Aoka hivalona eo ny mombamomba ireo
Hadalana fahiny
Aoka hangina aloha ireo fomba teo aloha
Ndrao hanimba indray
Ilay ho avy nantenaina hatrizay
Dia ho rava sy ho potika indray
Ny toky mba nananana hatrizay

Aoka hivalona eo ny mombamomba ireo
Hadalana fahiny
Aoka hifarana eo ireo vazivazy taloha
Ndrao hanimba indray
Ilay hazavana efa tsinjo hatrizay
Dia ho rava sy ho potika indray
Ireo   ho avy nantenaina hatrizay

Satry tsy nandao
'Reo revy nahavariana
Nahafaly anay
Toa aleo mandeha
Hiatrika 'lay ho avy rahatrizay

Ndeha mba hianatra aho fiainana vaovao
Hiaraka aminao 'zay angamba no tsapako fa mety
Hahasoa antsika sao variana midola aminao
Ka ho rava sy ho potika indray
Ireo ho avy nantenaina hatrizay

Satry tsy nandao
..................                      }2x

                                             

Partager ho avy

Commenter ho avy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Njila

Suite