4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hirahiran' ialahy - Njila

REF :                  Ireo hirahiran'ialahy toa hira falifaly
                               Mamalifaly, manainga fanahy
                               Variana be, misy azy ireo mijanona
                               Tavela teo tsy te-handeha

Vao maraina ialahy
Dia indro maka vody rindrina
Mbola kamokamo malaindaina be
Ny gitara tsy mba hadinonao
Io ihany no mba namanao

Rehefa atoandro ny andro   lasa ialahy
Mitady hanina
Hanohanana ny aina ho enti-miady
Amin'ity fiainana efa sarotra
Efa mahakivy sy mandreraka
Soa ihany fa mbola eo ny hirahira
Afaka hamalifaly ny ao am-po

Rehefa hariva ny andro indro ialahy
Eo an-tokontany be
Manangona ny taritary ao an-tanana
Mitanin'afo sy miara-mihirahira
Mifanjevo samy revo mikorana
Adinon'ialahy jiaby ny sorisory
Mavesatra, mandreraka ny fo

                          

Partager hirahiran' ialahy

Commenter hirahiran' ialahy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Njila

Suite