4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ianao - Green

Teo ianao, nilaza fa ho doria ny antsika

Izao ianao, nilaza f’efa leo ka hiova famindra

Teo ianao, nanamafy hatrany fa tia

Izao ianao, milaza f’efa ka hisampana ny dia



Teo ianao nitia ahy, nanampy ahy

Nitombo hatrany ilay fitia

Fa izao tomany aho, marary aho, mijaly aho

Satria......nilaozanao



Hadalana ve ny ahy,

Raha hifikitra amin’ny fitiavanao

Nefa ianao te handao

Hamela ahy irery toy izao

Tsy omeko tsiny nefa ianao

Saingy izaho no mijaly satria

Ianao(4) lava izao

Tsy afaka an-tsaiko

Satria nolalaiko



Teo ianao, to ney daholo izay rehetra natao

Niangavy ianao, ny fitiavantsika aza tsy hatao kilalao

Izaho indray izao no mitalaho fitia aminao

Raha sitrakao, hamerina indray izay vita hatrizay



Teo ianao nitia ahy, nanampy ahy

Nitombo hatrany ilay fitia

Fa izao tomany aho, marary aho, mijaly aho

Satria......nilaozanao



Hadalana ve ny ahy,

Raha hifikitra amin’ny fitiavanao

Nefa ianao te handao

Hamela ahy irery toy izao

Tsy omeko tsiny nefa ianao

Saingy izaho no mijaly satria

Ianao(4) lava izao

Tsy afaka an-tsaiko

Maningotra ny aiko

Partager ianao

Commenter ianao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Green