4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ela ny ela - Njila

Ela ny ela fa tafaverina eto indray
Drodroky ny dia avy any lavitra any
Nisinda avokoa ny havizanana rehetra
Hafaliana tsy omby tratra no nameno izany fo
Haravoana sesilany
                           Maro ireo zava-tsarotra naleha e!
                           Nivadibadika teny ny tantara
                           Nody ventiny ny rano natsakaina
                           Koa tsy tsara ve raha mifaly androany
Nitetitety tany maromaro izahay
Namela hafatra tsy mba nety fantatrao
Nizarazara revy, hira tetsy sy teroa
Hafaliana tsy omby tratra no nameno izany fo
Haravoana sesilany
Nitetitety tany maromaro izahay
                           Nitsena anay tamin'ny fo madio daholo e!
                           Tsy nisy nihevitra anay ho olon-kafa
                           Izahay moa tsy niseho nihafahafa e!
                           Fa nitandro ny fihavanana
                           Nitsena anay tamin'ny fo madio daholo e!

                                                             

Partager ela ny ela

Commenter ela ny ela

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Njila

Suite