4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Manankarena - Amboaram-peo ny fahazavana

Manankarena famindram-po Ianao

Ry Raiko o! zay any an-danitra

Ny heloka ny ota nankafizinay

Tsy nahasakana ny fitiavanao



Indro Jesosy tonga hamonjy

Nafoinao ho anay ho sorona

Manankarena famindram-po

Ianao Andriamanitra



Manankarena famindram-po Ianao

Ry Raiko o! mpamorona anay

Leferinao ny ditra sy hadalanay

Fitiavana no he! nasetrinao



Tsy sitrakao ho very izahay

Nirahinao Jesoa ho avotray

Manankarena famindram-po

Ianao Andriamanitra

Partager manankarena

Commenter manankarena

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Amboaram-peo ny fahazavana