4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Gologota - Amboaram-peo ny fahazavana

Tsaroako izao Gologota

Izay nijalianao

Nolatsain’ny marobe

Noesoina Ianao

Nafoinao zao rehetra izao

Noho ny helokay



Mafy izany ry Jesoa

Mafy nefa zakanao

Mafy izany ry Jesoa

Fahadiranovana Ianao



Maty voahombo ny Tompo

Maty nalatsa-dra

Nijaly tsy mba meloka

Vokatry ny otanay

Niaritra ny mafy Ianao

Nefa dia sitrakao



Nisolo ny helokay Ianao ry Jesoa

Nefa tsy meloka akory fa olona ambony

Novonoina Ianao ry Jesoa Tompo

Ho fanavotana anay izay tsy ao amin-dRay

Partager gologota

Commenter gologota

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Amboaram-peo ny fahazavana