4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Jesoa mpanazava - Amboaram-peo ny fahazavana

Hampahazava anao Kristy

Koa mifalia amin’ny fanantenana

Hampahazava anao Jesoa

Koa mazotoa amin’ny fanompoana



Faly mankalaza Anao

Noho ny fitantananao

Na tsy mendrika aza aho

Mbola notahianao

Trat’izao fotoana izao



Ilay Fanahy Mpanavao

Manazava ny asa atao

Ka ny tarigetra izao

Hiezaka aho mba tsy hania

Fa ho mpinatr’i Kristy



Na dia be ny fitsapana

Zay mitaky fisedrana

Asa atao an-tsitrapo

Ny manompo Anao Jesoa

Tsy hiemotra aho Jesoa

Partager jesoa mpanazava

Commenter jesoa mpanazava

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Amboaram-peo ny fahazavana