4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy anjarantsika - Dô Rajhonson

Tsy haiko intsony izay hatao,

‘Zaho moa tsy hoe nila anao,

Ho fanajako anao, nefa moa,

Na ho lany ron-doha aza,

Tsy anjarantsika roa.



Tsy iriko ny handao,

Efa nanao izay azo natao,

Fitia lehibe ho anao,

Nefa moa mankarary fo,

Aleoko miala mora.



Ref:

’Lay fitia zay nandratra antsika teo iny

Dia fitia feno haratsiana,

No fitia nosaininao irery,

Fitia toa tsy nanjary,

Fitia toa nankarary.



Ilay fitia izay nanimba antsika teo iny,

Dia fitia naloto feno tsiny,

No fitia nosaininao irery,

Fitia toa tsy nanjary.

Fitia toa nankarary.



(X 2)



Do Rajhonson

Partager tsy anjarantsika

Commenter tsy anjarantsika

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Dô Rajhonson